jeudi 9 avril 2009

MENATRA AHO HOY DADASETA

Anaka, fifaliana lehibe ho ahy ny miarahaba ny jahavanay rehetra, « akanga sisa nanamborana », « tapa-porohana sisa tsy may », tratr’izao androm-pahatsiarovana, natokana ho an’ny tia tanindrazana, indrindra ho an’ny « Martioran’ ny 47 » izao. Faly indrindra koa aho miarahaba sy mirary soa ho an’ny vahoaka jahavanay monontolo izay tiako loatra ka nonolorako ny androm-piainako manontolo mandra-pahafatiko! Hoy Dadaseta.

Tandremo anaka fa misy « 29 marsa » roa karazana, hoy Dadaseta. Ny « 29 marsa » iray an’ny « tia tanindrazana », les purs, les braves, les élites véritables du pays.

Ny « 29 marsa » iray an’ny mpamadika », les traîtres, les espions, les collaborateurs, les prostitués politiques, les nationalistes à double face ! hoy Dadaseta.

NY “29 MARSA”-N’ NY TIA TANINDRAZANA

Nivaivay sy niredareda ny fitiavan-tanindrazana tao am-pon’ny Malagasy tamin’ny taona 1945, fotoana niverana’ireo zanak’ity Nosy ity teo an-tanintsika avy nanavotra an’i la Frantsa. Taloha dia izao no antsoantso : “Madagasikara ho an’i la Frantsa” . Hatreo amin’ny 1945-1947, nanakoako teto amin’ny tanintsika ny hoe : “Madagasikara ho an’ny Malagasy” ary ny “Malagasy ho an’i Madagasikara”. Nanomboka tamin’ny 1948, dia nisolo io antsoantso io, ka lasa hoe : “Kristy ho an’I Madagasikara ary Madagasikara ho an’I Krsity”. Ny “Kristy” voalaza eto dia tsy iza fa i la Frantsa ihany hoy Dadaseta.

Niditra tao amin’ny antoko MDRM ny tia tanindrazana 1945-1947, satria noheveriny fa io antoko io no afaka hifampitana sy hifanandrina amin’ny mpanjanantany. Nihetsika ny herim-po tamin’izany, nipoitra ny herin-tsaina sy ny herim-panahy. Tsy nanaiky handevozina na hozogaina intsony ny jahavanay. Leon’ny fampijaliana sy fampahoriana ny “gasy”. Maimbo ra ny tia tanindrazana, ary tena vonona ny hanao sorona ny ainy sy ny fananany mihitsy ny tia tanindrazana, raha ilaina izany.

NY “29 MARSA”-N’ NY MPAMADIKA

Hitan’ny mpanjanantany io fikasana io, io fahavononana io, koa dia nandefa “mpanolotsaina” tao amin’ny MDRM ry BARON, ry RAVAHATRA. Nanamboatra “mpitaritolona” tao amin’ny MDRM, JINA, PANAMA ry Castellani. Nanefy “mpanentana” tao amin’ireo “mpivavaka” ny Misionera sy ny Monsainera be saron-tava, hoy Dadaseta. Notefeny ny lefona marobe ary dia napoakany ny 29 marsa’-n’ ny mpamadika, traîtres izay nantsoina hoe : “mpikomy”.

Narangaranga sy naely fatratra ery fa “mikomy ny gasy”. Mahay “ody basy ny gasy. Lasa rano ny balan’ny colons…” Tetika maizina anefa izany, mba handrobohana ny tia tanindrazana hirotsaka ao anantin’ny fandrika tsara petraka : “ny fikomiana nataon’ny mpamadika ny tena tia tanindrazana marina ! Notofirina tamin’ny “balles en blanc”, izay tsy mahafaty fa mondoro fotsiny ny fitafiana, ireo “mpikomy” ireo, ka tsy maty. Dia nolazaina ho mahay “ody basy” igagana ! Sodokan’izany ny maro tamin’ny tia tanindrazana ka dia nirotsaka nanatevin-daharana ny “mpikomy”!

Nampiasa « balles réelles » amin’izay ny mpanjanantany. Indrisy fa maty tao daholy ny maro tamin’ireo tia tanindrazana. Ary ireo maty dia nalain-baraka hoe “maty satria namadika”! Maty ny tia tanindrazana. Nisy maty koa ireo “mpikomy”, satria “témoins”-na “alliés gênants”, hoy Dadaseta. “Morts en service commandé” no niantsoana azy ireny izay notolorana mari-boninahitra sy nanaovana tsagam-bato! Ny loza sy ny antambo : ireny indray no natsangana ho modely sy filamatra ny fitivan-tanindrazana, ka nanoavana “Mausolée” hoy Dadaseta !

Indrisy, hoy Dataseta… taloha I la Frantsa irery notompoina. Ankehitriny, tonga “mapanompo tous azimuts ny Malagasy” : miavosa ny trosa nefa ny “production véritablement nationale” tsy mitombo… Ny zava-tsoa eto amintsika dia iantsontsika ny vahiny satria mila vola isika ary izy iero no manam-bola, hoy ihany Dadaseta. I Madagasikara anie tsy handohalika na oviana na oviana… Ny vahoaka Malagasy no mandady sy mandohalika hoy Dadaseta satria menatra olona, satria mahantra eto amin’ny taniny eo anatrehan’ny karana, sinoa, vazaha, vahiny samihafa izay manakarena sy miadana eto amin’ny tanintsika, hoy ihany Dadaseta

Menatra aho hoy Dadaseta, satria ho an’ny firainaiko, no nitolomako sy niaretako fampahoriana sy fampijaliana, kanefa ankehitriny ny olon’i Baron, olon’i Castelliani, ny olon’ i la Frantsa, ny olon’i Moscou, ny olon’i CIA no manapotika ny firainaiko! Aiza ny olompirainaina marina? hoy Dadaseta. Aiza ilay afom-pitiavan-tanindrazana talohan’ny “29 marsa” ? Matoky aho fa ho avy ny andro ary amin’izay dia ho afaka marina ny firainaina jahavanay satria mbola ao ireo “akanga sisa nanamborana”, ireo “vato namelam-kafatra” ireo “jahavanay maherifo”. Ho ela velona anie ny jahavanay vahoaka maherifo”, hoy Dadaseta.

Manana dit Rapasy

Gazety Midi-Madagascar 10 avril 1989

Aucun commentaire: